Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana?  Eo an-tampon'ny fitoerana avo amoron-dalana sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany. Eo anilan'ny vavahady, amin'ny fidirana ho ao an-tanàna, sy eo anaty vavahady no iantsoany mafy hoe: Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin'ny zanak'olombelona
Ohabolana 8 : 1-4


Misokatra eo anivon'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara, ao amin'ny Oniversity FJKM Ravelojaona, ny Sekoly Ambony amin'ny Teolojia sy ny Haifivavahana (Ecole Supérieure de Théologie et d'Etudes Religieuses - ESThER).

Ity dia : 

• Fampianarana ampitain-davitra amin’ny alalan’ny aterineto. Azonao arahina amin’ny fotoana rehetra amin’ny tambanjotran-tserasera.   

• Fampianarana misy fifanakalozana. Mora jerena amin’ny alalan’ny fitaovantserasera isan-karazany  toy ny : findray avo lenta, Tablette,sns.  

• Fampianarana voasoratra  amin'ny tenim-pirenena samihafa


LMD


Ny Rafi-pampianarana


Fampianarana manaraka lamina LMD : « Licence-Master-Doctorat ». Maripahaizana mamaly ny hetahetan'ny Fiangonana,  ankatoavin’ny fanjakana ka ahafahana manohy fianarana eny anivon’ny anjerimanontolo samihafa manerantany, ahafahana mandray anjara amin'ny fifaninana hidirana ho mpiasam-panjakana sy isondrotana kilasy eo amin'ny sehatr'asa samihafa.


      ENS


  Mpampianatra

 

Mpampianatra mivelatra amin’ny sampam-pahalalana : teolojiana, mpahay fiarahamonina sy toe-karena ary politika, mpampianatra momba ny fitantanana sy ny maro hafa mifanaraka amin’ireo taranja amipianarina sy ny  tsanganan’ny mpianatra havoaka.

 

 TARANJA


Ireto taranja ianarana


    • Habaiboly (Testamenta Taloha- Testamenta Vaovao) : Teny Hebreo sy Grika, Heviteny, Teolojia,

    Tantaran’ny Israely sns.

    • Haifotopinoana sy Etika Kristiana

    • Teolojia Pratika ( fampandrosoana kristiana sy Fiangonana)

    • Tantara : Tantaram-pivavahana, Tantarampiangonana, Tantaram-pirenena

    • Siansan’ny mahaolona sy fiaraha-monina:

    Psykolojia, antropolojia, sosiolojia, sns.

    • Tenim-pirenena samihafa: Malagasy, Anglisy, Frantsay, Koreana, Sinoa

    • Hafivavahana samihafa: Silamo, Jodaisma, Hindoisma, Fivavahan-drazana Malagasy.

    Tari-dalana amin’ny haifampianarana 

 


PASTEUR


Ny tsanganan'ny mpianatra nahavita fianarana 


    • Mahatory ny Filazantsara sy mahay mampandroso Fiangonana
    • Mahay Baiboly
    • Mahafantatra izay inoany sy mahay mampianatra izany
    • Mahay sy mahaova ary mahasoratra tantara
    • Mpianatra mpanaraka an'i Jesoa Kristy velona, ka mihavao sy mpanavao

ASA

Sehatr'asa azo idirana aorian'ny fianarana


    • Mpitandrina FJKM ho an'ireo izay afaka tamin'ny fifaninanana idirana amin'ny Toeram-Panomanana ho Mpitandrina
    • Mpiasa sy Mpiandraikitra, Tonia sy Tale, eo anivon'ny Sampana, Sampan'Asa, Asa sy Fikambanana eo anivon'ny Fiangonana
    • Mpitantanana fikambanana samihafa miankina na tsy miankina amin'ny Fiangonana
    • Tale sy/na mpampianatra amin'ny Sekoly miankina na tsy miankina amin'ny Fiangonana
    • Mpanao Gazety sy mpiandraikitra asa fampandrosoana sy asa sosialy samihafa


MPIANATRA

Fomba fandraisana mpianatra 

 

• Misokatra ho an’ireo manana ny mari-pahaizana bakalorea sokajy rehetra, tsy misy fe-taona  

• Hisy fandinihana antontan-taratasin’ny mpianatra.

• Aorian’ny fandinihana ny antontan-taratasy vao avoaka ny lisitr’ireo mpianatra tafiditra.

• Ireo antotan-taratasy ilaina :   

Dikasary mitovin'ny mari-pahaizana bakaloarea, voamarina na "légalisée"

- Dikasary mitovy ny karapanondrom-pirenena, na pasipaoro na visa, voamarina (izay ananana amin'ireo)   

Taratasy fanolorana avy amin'ny mpitondra fivavahana  amin'ny fiangonana na Fikambanam-pivavahana na Antokom-pivavahana niaviany raha  toa ka natolotr’ilay Fiangonana na Fikambanam-pivavahana na Antokom-pivavahana fa tsy misoratra amin’ny anaran’ny tenany manokana ilay mpianatra

Taratasy milaza ny Faneken'ny mpianatra ny fanajany ny fitsipika sy ny fandaminan'ny Sekoly ka itandrovany ny tsy hisian'ny fifanaratsiana sy ny fifanenjehana amin’izay mety ho fahasamihafan'ny fomba fihevitra, misy sonia sy fitomboky ny Fiangonana na Fikambanam-pivavahana Antokom-pivavahana niaviany na soniavin’ny tompony raha misoratra anarana amin’ny anaran’ny tenany ilay mpianatra.  

Tapakila milaza ny fandoavana ny saram-pisoratana anarana..  

• Ho an’ny mpiomana ho Mpitandrina dia misy fifaninana ka ny Komitin'ny Fampianarana Teolojika no mandamina izany.

• Ho an’ny mpianatra izay nahavita  fianarana tao amin’nny SETELA dia misy fepetra manokana handraisana azy ireo na hiroso avy hatrany amin’ny Fandaharam-pampianarana Master na hanomboka amin’ny Licence.

Eo ampisoratana anarana no handraisana ny dinidinika feno.

.