1Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana? 2 Eo an-tampon'ny fitoerana avo amoron-dalana sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany. 3 Eo anilan'ny vavahady, amin'ny fidirana ho ao an-tanàna, sy eo anaty vavahady no iantsoany mafy hoe: 4 Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin'ny zanak'olombelona
Ohabolana 8 : 1-4

Raha toa ka ny Sekoly no raisina ho toeram-panovozam-pahendrena sy fahalalana dia marina amin'izao andro izao io tenin'i Solomona io. Ahitana sekoly sy ivon-toeram-pampianarana avokoa eny amin'ny toerana talaky maso rehetra. Misy aza toerana heverina ho mitoka-monina sy ankodahoda ahitana sekoly ambony sy manara-penitra.. Afaka misafidy izay sekoly na sampam-pahalalana tandrify ny fahefa-mividiny sy ny sapam-pahalalana tiany arahina ny tanora.

Ambonin'izany aza noho ny firoboroboan'ny tambazotran-tserasera avo lenta dia tsy voafefin'ny rindrin'efatry ny Sekoly intsony ny fandratoam-pahendrena sy ny fanovozam-pahalalana. Tena ara-bakiteny ny hoe eo ampelatananao no aterin'ny teknolojia ny fahalalana. Raha vao manana finday misy Application Android ianao na dia ny version ambany indrindra aza dia efa afaka manaraka izay fandaharam-pianarana sy fiofanana tianao harahina amin'ny fahana tsy dia lafo loatra sy amin'ny saram-pianarana tandrify ny voka-tsoa azonao amin'ny fianarana arahinao. 

Izany indrindra no nahatonga ny KFT hanentana ny TPM rehetra hiomana amin'ny fidirana amin'ny fampianarana amin'ny teknolojia vaovao. 

Raha ny marina mantsy dia efa hatramin'ny taona 2017 no niheverana ny tokony hampiasana ny teknolojia vaovao hanatsarana ny fampianarana teolojia. Ny nokendrena tamin'izany dia ny hampifandraisana ireo TPM dimy manerana ny sahan'ny FJKM. Izay tena tanjona tamin'izany dia ny mba hampitoviana lenta ny fampianarana omena ny mpiomana rehetra manerana ireo TPM ireo. Ka na misy TPM sasany tsy ampy mpampianatra aza noho ny teknolojia vaovao dia hahazo izay tandrify azy avokoa ny mpiomana rehetra.

Vao tsy nanomboka akory anefa izany fikasana izany noho ity valan'aretina COVID 19 ity dia indrisy fa tsy vitan'ny hoe tsy afaka nifampizara fanomezam-phasoavana fotsiny ny TPM fa misy TPM tena mikatona mihitsy ary tsy afaka mianatra akory ireo mpiomana.

Araka izany dia tonga eo amin'ny kihon-dalana tsy azo ialana isika amin'ny fidirana amin'ny fampiasana ny Teknolojia vaovao. Tsy tambo isaina ireo karazany ampiasaina fa ny "Moodle" no nosafidintsika. Tsy hoe io akory no tsara indrindra fa io aloha no nosafidina. Azo ialana io amin'ny fotoana mahamety azy. 

Ny zava-kendrena amin'ity tari-dalana ity dia tsy fampianarana akory. Tsy hisy afaka hilaza ho mpampianatra eto raha ity fampianarana amin'ny tranon-kala ity no asian-dresaka . Satria samy tsy nisy nianatra momba izany isika; Inoako fa isika rehetra izao dia sambany vao mampiasa ity fomba ity. Izay tena kendren'ity tari-dalana ity dia ny hizarantsika fotsiny aloha. Rehefa samy zatra isika rehetra vao hiditra amin'ny tena ventin-javatra: hifampiaza eto aloha isika samy isika avy eo vao hiditra amin'ny fampitana azy amin'ireo mpianatra ampianarintsika.

Iza avy moa izany isika no miara-miasa ato. Voalohany aloha dia isika ato amin'ny TPM : ny Mpianatra sy mpampianatra. Faharoa dia ireo ao amin'ny Fampianarana ny Haifivavahana (Etudes Religieuses) araka ny habilitation nomen'ny Fanjakana Malagasy. 

Isaorana ireo teknisiana izay nanangana sy manampy amin'ny fitantanana ny tranon-kala. izy ireo koa dia ho tandroka miaraka aman-tsofina amin'ny fanatanterahantsika ny asantsika rehetra. Na amin'ny fanarahana izao tari-dalana izao na amin'ny fanatanterahantsika ny fampianarana ataontsika.    


 






Niveau: L2

Initiation à l'enseignement en ligne sur la plate-forme MOODLE, intégration des étudiants, échange et prise de contact.

Niveau: L2