BIBLIO 

BIBIO

BIBLIO2

NAHAZO TRANOMBOKY NY ECOLE SUPERIEURE DE THEOLOGIE ET D'ETUDES RELIGIEUSES

Isaorana ny Tompo fa nahazo tranomboky ny ÉCOLE SUPÉRIEURE DE THÉOLOGIE ET D’ÉTUDES RELIGIEUSES. Tranomboky misy ireo boky nangonin'i Dr RAKOTOHARINTSIFA Andrianjatovo, Mpitandrina fony fahavelony. Raha tsiahivina dia ny talata 22 Desambra 2009 no nandao ny fanompoany tety an-tany Andriamatoa RAKOTOHARINTSIFA Andrianjatovo, Mpitandrina tao amin'ny FJKM Ambavahadimitafo, mpampianatra tao amin’ny Fakiolte Teolojika Ambatonakanga: Testamenta Vaovao sy Sosiolojia momba ny Fivavahana teny amin'ny Anjerimanontolo Ankatso, Antananarivo. Mpitandrina Malagasy nanana ny nampiavaka azy tokoa Andriamatoa RAKOTOHARINTSIFA Andrianjatovo na teto an-toerana na tany ivelany, noho ny fahaizana amam-pahalalana nananany ary isan'ireo to teny sy nampiaiky volana ny maro izany fahaizany ny Testamenta Vaovao sy fahaizana marolafy sady avo lenta nananany izany. Ny Fiangonana teto an-toerana dia mazàna no nila hevitra taminy rehefa misy fampandrosoana tian-katao. Nahazo ny Doctorat en Théologie tao Lausanne Suisse izy ny taona 1996, ary laureate tamin’izany. Nanova ny fampianarana teolojia ny fisiany tao amin’ny "faculté de théologie" noho ny fahaizana sy traikefa nananany. Ny taona 2020, nodimandry ny vady navelany, Ramatoa Fara RAKOTOHARINTSIFA izay nivoaka ho Mpitandrina tao amin'ny toeram-panomanana Mpitandrina Ambatonakanga ny taona 2018. Noho ny fifamatoram-piarahamiasa nisy teo amin'izy mivady sy ny Toeram-panomanana Mpitandrina fony fahavelony dia nentin'izy ireo nanampiana ny mpianatra Mpitandrina ny ankamaroan'ireo boky nananany. Na efa samy nodimandry aza izy mivady dia nitohy hatrany ny fifamatoram-piarahamiasa tamin'ny zanaka navelany ary nentiny nanasoavana ny Fiangonana ny tranomboky ary nomeny manontolo ho fananan'ny sekoly teolojika tamin'ny alalan'ny famarotana azy izany; koa ny École Supérieure de Théologie et d'Etudes Religieuses no nividy izany ny volana aprily sy jona 2022 lasa teo. Marihana fa ity tranomboky ity dia ahitana ireo boky anisan'ny sangany manarentany, boky fototra teolojika maromaro, boky voafantina, sarobidy sy manan-danja. Ny tranomboky dia napetraka ao amin'ny seminera FJKM Amparibe. Ankoatra ireo voalaza ireo, ny École Supérieure de Théologie et d'Etudes Religieuses dia efa manana studio fakana horonantsary sy feo ilaina amin'ny fampianarana. Araka izany, isaorana ny Tompo noho ny fahavitan'izao tetik'asan'ny ESThER anisan'ny goavana izao, izany tanteraka dia noho fomban'Andriamanitra, teo koa ny fiaraha-miasa sy fiaraha-mientan'ireo mpitantana ny sekoly, indrindra ireo mpianatry ny École Supérieure de Théologie et d'Etudes Religieuses. An'Andriamanitra irery ny Voninahitra. 


שינוי אחרון: ראשון, 10 יולי 2022, 5:56 PM