IV12

IV12

IV14

IV45

Atrikasa Fampiofanana Mpampianatra

Araka ny tanjon’ny ESThER hanome fampianarana Teolojia mifanaraka amin’ny toetr’andro, dia ao anatin’ny ezaka atao ny mampiofana sy mampitao ireo mpampianatra eto amin’ny Sekoly. Teny amin’ny Toeram-panomanana Mpitandrina teny Ivato no nanatanterahana izany ny 11 Mey 2022 lasa teo, ka nahitana mpitandrina maromaro vonona ho mpiara-miasa amin’ny ESThER.

 

Niarahana nandinika tamin’izany ny endriky ny fampianarana an-tranokala sy ny fitaovana ampiasain’ny ESThER hanomezana ireo lesona sy hifandraisana amin’ny mpianatra. Marihana fa ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny dia ilaina atrikasa mitohy tahak’itony amin’ny fotoana samihafa mba hahafahana mifehy io fitaovana enti-mampianatra io.

 

Fotoana nahafahana nifankahita tamin’ny firahalahiana sy niara-nitombo ary nifampahery ihany koa ity tontoloandro teny Ivato ity. Isaorana an’Andriamanitra fa tontosa izany ary vonona hiroso hatrany amin’ny fanatsarana ny fampianarana eto amin’ny ESThER izay tandrify ny kalitao ilain’ny mpianatra ny mpiandraikitra sy mampianatra.


마지막 수정됨: 월요일, 18 7월 2022, 5:24 오후